Aller au contenu

Antiôkia any Pisidia

Avy amin'i Wikipedia
Ny toerana nisy an' i Antiôkia any Pisidia

I Antiôkia any Pisidia na Antiôka any Pisidia dia tanàna taloha tao Pisidia, faritry ny farihy ao Torkia, faritanin' i Isparta ankehitriny. Teo amin' ny fihaonan' ny Ranomasina Mediteranea sy ny Ranomasina Egea no nisy azy, ary teo amin' ny faritra afovoan' i Anatôlia, teo akaikin' ny sisin-tanin' i Pisidia sy ny an' i Frigia fahiny. Vokatr' izany dia fantatra hatramin' ny fiandohan' ny taonjato voalohany tamin' ny anarana hoe Antiôkia any Frigia izy. Atao hoe Antiocheia ad Pisidiam na Antiochia ad Pisidiam izy amin' ny teny latina.

Ny toerana nisy an' io tanàna io dia tokony ho 1 km avaratr' i Yalvaç (na Yalobatch), tanàna vaovao ao amin' ny faritanin' i Isparta. Teo amin' ny havoana iray nanana tampona mirefy 1 236 m i Antiôkia any Pisidia. Manamorona io tanàna io ao atsinanana ny hantsana lalin' ny renirano Anthius izay mikoriana mankany amin' ny farihy Eğirdir (amin' ny teny tiorka: Eğirdir Gölü).