Ôsetia
Apparence
I Ôsetia dia faritra ao avaratry ny tangoron-tendrombohitr' i Kaokazy, izay onenan' ny Ôsetiana indrindraindrindra, misabaka ankavia sy ankavanan' ny tsipiky ny tampon' io tangoron-tendrom-bohitra io, izay vakivakîn' ny lohasaha terin' i Darial. Atao hoe Alania koa i Ôsetia. Amin' ny lafiny pôliltika dia mizara ho faritra roa i Ôsetia:
- I Ôsetia an' i Alania Avaratra, izay repoblika mizaka tena mpikambana ao amin' ny Federasionan' i Rosia, teraka avy amin' ilay repoblika mizaka tena sôvietika niitatra tamin' ny taona 1944 tamin' ny nanaovana sesitany ireo Ingosy nataon' i Stalin, avy any amin' ny tapany atsinanana amin' i Prigorodny, avy any Ingosetia mpifanolo-bodirindrina aminy;
- I Ôsetian' i Alania Atsimo, ôblasta jeôrjiana mizaka tena taloha tao amin' ny Firaisana Sôvietika, izay nisaraka tamin' i Jeôrjia tamin' ny taona 1992 tamin' ny ady voalohany tao Ôsetia Atsimo; taorian' ny ady faharoa tao Ôsetia Atsimo tamin' ny taona 2008, dia nankatoavin' i Rosia, i Siria, i Nikaragoa, i Venezoela, ny nosin' i Naoro ny fahaleovan-tenany, toraka izany koa ny nataon' i Abkazia ary i Transnistria (izay fanjakana roa tsy mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana).